Chargement...

𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝑨𝒓𝒔𝒊𝒗𝒂 "𝑨𝑲𝑻𝑨 : 𝑻𝑨𝑫𝑰𝑫𝒀, 𝑹𝑨𝑹𝑰𝑵𝒀, 𝒁𝑶, 𝑵𝒀 𝑯𝑶 𝑨𝑽𝒀"

"𝐴𝑘𝑡𝑎 : 𝑇𝑎𝑑𝑖𝑑𝑦, 𝑅𝑎𝑟𝑖𝑛𝑦, 𝑍𝑜, 𝑁𝑦 ℎ𝑜 𝐴𝑣𝑦", io no teny nentina nanamarika ny andro iraisampirenena ho an'ny Arsiva teny amin'ny Foiben'ny Arsivam-pirenena Tsaralalàna. Nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy izany ny Sekretera Jeneralin'ny Governemanta, 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐇𝐞𝐫𝐢𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐉𝐨𝐞̈𝐥, izay nanambara fa fototra iorenan'ny tany tan-dalàna ny fisian'ny Arsivam-pirenena ka afaka mirehareha ny Malagasy manana izany. Efa ao anatin'ny firaketana nomerika ny Arsivam-pirenena ka hanohana ara-pitaovana izany ny fitondram-panjakana.

Nomena lanja manokana tamin'ity fankalazana ity ny akta (actes) satria ireo no antontan-taratasy isan'ny be mpikaroka sy be mpitady indrindra ao amin'ny Arsivam-pirenena. Nohamafisin'ny Talen'ny Arsivam-pirenena, 𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐎𝐋𝐎𝐍𝐉𝐀𝐓𝐎𝐕𝐎 𝐑𝐚𝐬𝐨𝐚𝐟𝐚𝐫𝐚 𝐂𝐥𝐚𝐮𝐝𝐢𝐧𝐞, fa firenena mahaleotena i Madagasikara, manana ny tantarany, manana ny lasany, ka mitahiry izany ny Arsivam-pirenena ho an'ny taranaka mifandimby.

Ny taona 1958 no niforona ny sampan-draharahan'ny Arsivam-pirenena sy ny tahirin-kevitra. Taratasy voasoratra tamin'ny taona 1823 no tahirin-kevitra tranainy indrindra voatahiry ao amin'ny Arsivam-pirenena.

Isan'ireo olo-manankaja nanotrona ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an'ny Arsiva ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga, 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐫𝐜𝐞𝐥 𝐒𝐜𝐡𝐚𝐥𝐥, izay nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐈𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐂𝐥𝐞́𝐦𝐞𝐧𝐜𝐞 . Nitohy tamin'ny varavarana misokatra narahina velakevitra sy fampirantiana mahakasika ny akta voatahiry ny fotoana.

Retour aux actualités