Chargement...

𝐂𝐄𝐍𝐈 : 𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐀𝐧𝐧𝐞 𝐑𝐚𝐲𝐦𝐨𝐧𝐝𝐞

Tafapetraka amin'ny toerana maha-mpikambana feno eo anivon'ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana (CENI) Ramatoa Anne Raymonde, rehefa nahavita ny fianianany nanoloana ny Fitsarana Tampony.

Ramatoa Anne Raymonde dia solontenan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, araka ny didim-panjakana laharana 2026-1516.

Nanatrika ny fitsarana manetriketrika ny Talen'ny kabinetran'ny Minisiteran'ny fitsarana, TSARALEHA Jean Arsene, nisolo tena an-dRamatoa Mpitahiry ny fitombokasempanjakana, Minisitry ny fitsarana, FANIRISOA ERNAIVO. Nandefa an'Andriamatoa isany RAMANANTSOA RAMARCEL Schall, Sekretera Jeneraly, sy ANDRIANARIVELO Onja Heritiana, Talen'ny kabinetra, kosa ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

Retour aux actualités