Chargement...

𝐏𝐑𝐎𝐆𝐑𝐀𝐌𝐌𝐄 𝐃𝐄 𝐏𝐀𝐑𝐓𝐄𝐍𝐀𝐑𝐈𝐀𝐓 𝐏𝐀𝐘𝐒 : 𝐌𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐦𝐞𝐡𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐩𝐨̂𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐚𝐩𝐨𝐛𝐞 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚.

"Dingana manan-tantara amin'ny fanavaozana ny toekaren'i Madagasikara no atrehintsika ankehitriny dia ny fanombohana ôfisialy ny fandaharanasa PCP, izay hanome lanja ny famokarana, famoronana asa mendrika ho an'ny tanora amin'ny fananganana rafitra matipaika mifototra amin'ny fiaraha-miasan'ny sehatra rehetra", hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, tamin'ny lanonana fanombohana ôfisialy ny fandaharanasa amin'ny fiaraha-miombona antoka na PCP (Programme de Partenariat Pays - Programme for Country Partenership). Fiaraha-miasan'ny Fanjakana malagasy sy ny ONUDI, Fandaharanasan'ny firenena mikambana ho an'ny fampiroboroboana ny indostria.

Nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga tamin'izany ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, RAMANANTSOA Ramarcel Schall.

Retour aux actualités