Chargement...

𝐕𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍'𝐀𝐍𝐊𝐎𝐇𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 : 𝐀𝐧𝐤𝐨𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟏𝟔 𝟎𝟎𝟎 𝐧𝐨 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐫𝐞𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚

Ankohonana marefo miisa 16 000 avy amin'ireo fokontany 192 eto Antananarivo Renivohitra no hisitraka ny Vatsin'ankohonana, dia ireo ankohonana mbola tsy nisitraka tamin'ny FSU na ny Fonds Sociaux Urbains. Ny CPS na Comité de Protection Sociale eny anivon'ny fokontany no hisivana ireo fianakaviana marefo hahazo izany.

Notanterahina androany 6 aogositra teny amin'ny efitrano malalaky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny atrikasa hisivanana ireo fokontany hakana ireo ankohonana tena marefo hisitraka ny Vatsin'Ankohonana.

Fihaonana notarihan'ny Prefet an'Antananarivo, ANDRIASY Vonjy ka nahitana ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga RAMANANTSOA Ramarcel Schall izay nisolo tena an-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana RAHARINIRINA Clémence, ny Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, RALAMBOMANANA Feno, ny Tale Iraisam-paritry ny FID Antananarivo, ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Analamanga, ireo lehiben'ny distrika enina sy ny délégués au maire ary tompon'andraikitra maro sivily sy miaramila.

Retour aux actualités