Chargement...

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀 : 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐦𝐚𝐬𝐨𝐦-𝐩𝐨𝐤𝐨𝐧𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐤𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝟕𝟖 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐫𝐞𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Fokontany miisa 78 eto anivon'ny Kaominina Antananarivo renivohitra no nahazo "gilet" sy kiririoka ary jiro fanao am-paosy avy amin'ny Faritra Analamanga. Fitaovana sy fanamiana ho an'ireo andrimasom-pokonolona miisa 13 avy isak'ireo fokontany 78 notsongaina manokana araka ny toromariky ny mpitandro ny filaminana. Antenaina hanampy azy ireo amin'ny asa fanaraha-maso sy fampandriana fahalemana isan-tanàna izany manoloana an'ireo tsy fandriam-pahalemana izay nirongatra tao ho ao.

Anjaran'ny boriborintany fahatelo sy fahadimy ary fahenina androany. Nitarika an'ireo manam-pahefana sy mpitandro ny filaminana nizara izany teny Ambohimanarina sy Ambatomainty ary Antaninandro ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga, RAMANANTSOA Ramarcel Schall, izay nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

Retour aux actualités