Chargement...

𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐋𝐀𝐒𝐎𝐑𝐀 : 𝐍𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐢𝐤𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚

Notokanana androany zoma 14 aogositra ny efitrano fisoratam-panambadiana vaovao sy ny biraon'ny polisy kaominaly ho an'ny Kaominina ambanivohitra Alasora ary ny birao ifotony ho an'ny fanajariana ny tany ho an'ny vahoakan'Avaradrano, izay samy miorina eny amin'ny By Pass, manakaiky ny kaomisarian'Alasora.

✅ "Fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka sy hanala fahasahiranana azy ireo, izay fahatanterahan'ny vina iray ho an'ny fampandrosoana ny tananan'Alasora", hoy ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina ambanivohitra Alasora, RANDRIATSOA Jimmy Heliasina. Nohamafisiny fa ireo fotodrafitrasa ireo dia hanombohana fiainana vaovao, hanampy amin'ny fitandroana ny filaminana ary hanampy amin'ny fanajariana ny tanàna.

🤝 Nankasitraka ny fahavitan'ny fotodrafitrasa sy ny fahaiza-mitariky ny Ben'ny tanànan'ny kaominina ambanivohitra Alasora ireo nandray fitenenana, nahitana ny Solombavambahoaka ANDRIAMOSA Avotra sy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, SAMBANY Ruffin, nisolo tena ny Minisitra, ny Jeneraly LYLISON De Roland.

✅ Nanamafy izany ny lahatenin'ny tomponandraikitry ny tsenam-baro-panjakana eo anivon'ny Faritra Analamanga, RABARY Hery, izay nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, fa izao asa izao dia maneho ny toe-tsaina fanavaozana hoe mametraka rantsa-mangaika manakaiky ny Vahoaka.

Retour aux actualités