Chargement...

𝐋𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐑𝐈𝐕𝐀𝐓𝐎 𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐇𝐈𝐃𝐑𝐀𝐓𝐑𝐈𝐌𝐎 : 𝐌𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐦𝐩𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐨𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐤𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐑𝐨𝐯𝐚𝐧'𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐢𝐦𝐨

Efa mamaramparana ny asa fanamboaran-dalana rarivato miainga avy eo amin'ny lalam-pirenena fahefatra mihazo ny Rovan'Ambohidratrimo, izay mirefy 450 metatra. Asa izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga fa nampanaoviny orinasa tsy miankina taorian'ny tolobidy. 15 andro eo ho eo sisa dia ho vita tanteraka izany, araka ny voalazan'ny tomponandraikitra voalohany an'ilay orinasa, nandritra ny fitsidihana tsy nampoizina nataon'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, sy ireo mpiara-miasa aminy androany.

✅ Hanomboka tsy ho ela koa ny asa fanamboarana ho rarivato ny lalana miainga avy eo amin'ny lalam-pirenena fahefatra mankany amin'ny kianja sentetika, eny Ambohidratrimo ihany.

Retour aux actualités