Chargement...

𝐊𝐈𝐂𝐊𝐁𝐎𝐗𝐈𝐍𝐆 "𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐄𝐑𝐘" : 𝐍𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐭𝐫𝐨𝐤𝐚𝐝𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝟔𝟎 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐤𝐢𝐚𝐧𝐣𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐟𝐨𝐧'𝐢 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐦𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚

Nafana sy nangotraka ireo katrokadin'ny kickboxing maherin'ny 60 izay nizotra teny amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina omaly alahady 23 aogositra. Fifaninanana natokana ho an'ny vehivavy, izay nokarakarain'ny klioba 3FB ka nampitondrainy ny lohateny hoe : "Vehivavy mahery". Nisy ady ho an'ny sokajy lehilahy ihany anefa tamin'izany. Alinalina mihitsy vao nirava ny fifaninanana.

🤝 Reny mpiahy izany fifaninanana izany Ramatoa RAHARINIRINA Clémence, Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana.

✅ Nasongadin'ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, RAMANANTSOA Ramarcel Schall, izay nisolo tena azy fa "ny vehivavy mahery dia tsy voatery ho ilay mahery ara-batana ihany, fa ilay mahay miatrika, mahay mijoro, mahay miaro ny tenany, mahay mandray fanapahan-kevitra ary tsy manaiky ho voagejan’ny tahotra".

Retour aux actualités