Chargement...

𝐀𝐒𝐈𝐄𝐅 𝐍𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐑𝐀 : 𝐍𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐦𝐞𝐝𝐚𝐥𝐲 𝐞𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐨𝐦𝐚𝐧𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Nandrombaka medaly volamena 4 sy medaly volafotsy 2 ireo mpilomano miasa eo anivon'ny Faritra Analamanga nandritra ny fifaninanana lomano ho an'ny ASIEF na ny fifaninanana ho an'ireo mpiasam-panjakana eny anivon'ireo andrimpanjakana sy asam-panjakana. Fifaninanana izay mizotra any Manakara. 50m dos, 50m papillon, 50m lomano tsotra ary relais 4x25m no nahazoana ireo medaly volamena raha toa ka lomano tsipy sandry sy 400m lomano tsotra ho an'ireo medaly volafotsy.

⛹️ 🏀 Ho an'ny taranja basket kosa dia naman'ny efa tafita amin'ny lalao ampahavalon-dalana ny ekipan'ny Faritra Analamanga ary mbola nandresy tamin'ny isa 51 no 40 ny ekipan'ny Fitsarana avy any atsimo andrefana androany voalohany volana septambra.

Retour aux actualités