Chargement...

𝗔𝗗𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗔𝗟𝗘𝗠𝗔𝗡𝗔 : 𝗡𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗸𝗼𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗺𝗮𝘀𝗼𝗺-𝗽𝗼𝗸𝗼𝗻𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗠𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮

Tsy diso anjara tamin'ny fampitaovana "gilet" sy kiririoka ary jiro fanao am-paosy avy amin'ny Faritra Analamanga ireo andrimasom-pokonolona ao amin'ny Distrikan'i Manjakandriana. Fokontany 10 izay nosafidina manokana niaraka tamin'ireo tomponandraikitry ny filaminana any an-toerana no samy nisitraka "gilet" 15 sy kiririoka 15 ary jiro fanao am-paosy 2 avy.

 Tonga nanatitra izany tany an-toerana ny Talen'ny kabinetran'ny Faritra Analamanga, ANDRIANARIVELO Onja Heritiana, izay nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence. Nandray izany kosa ny lefitry ny Lehiben'ny distrikan'i Manjakandriana, RAFANOMEZANA Lantosoa Jean Nicolas.

Retour aux actualités