Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗔𝗗𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗦𝗜𝗗𝗔 : 𝗙𝗮𝗵𝗼𝗺𝗯𝗶𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗦𝗬𝗖𝗔𝗩𝗜

Olona miisa 34.841 no voatily teto Antananarivo sy Antsiranana, Mahajanga, Toamasina ary Toliara nanditra ny dimy taona niasan’ny tetikasa SYCAVI (Système Communautaire d'Alerte sur le VIH). 1.708 tamin’ireo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina.

📊 Ny SYCAVI dia tetikasa iray tanterahin'ny fikambanana AINGA/AIDES, novatsin'ny EXPERTISE FRANCE vola. Niara-niombona antoka tamin'ny fanatanterahana izany ny AFSA sy ny Mad'AIDS. Tanjona ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ireo olona marefo manoloana ny VIH/SIDA, toy ny mpivaro-tena, mpitsindrona zava-mahadomelina, mpifankatia mitovy fananahana, ireo olona efa miara-miaina amin'ny MST VIH/SIDA.

📌 Nofaranana tamin’ny fomba ôfisialy omaly zoma 11 septambra ny tetikasa SYCAVI. Nisolo tena ny ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, tamin’izany ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga, RAMANANTSOA Ramarcel Schall. Nambarany tamin'izany fa tsy andraikitry ny olon-tokana ny ady amin'ny SIDA fa andraikitry ny rehetra. Ny Faritra Analamanga, hoy hatrany izy, dia vonona hifanome tanana araka izay azo atao amin'ireo mpisehatra rehetra hiadiana amin'ny aretina SIDA ho tombontsoan'ny Vahoaka manontolo.

Retour aux actualités