Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐀𝐊𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐈𝐄𝐅 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀

Nifarana ny sabotsy 05 septambra lasa teo ny fifaninanana ASIEF 2026,izay notontosaina tany Manakara.

Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny Faritra Analamanga, ka nifaninana tamin’ny taranja Basket-ball, Lomano ary Dihy.

🏅 Miisa 10 ny Medaly azon'ny Faritra Analamanga tamin’ireo taranja rehetra nandraisany anjara: medaly volamena 6 ary medaly volafotsy kosa ny 4 tamin'izany.

Isan-taranja dia mitsinjara ho toy izao :

•⛹️ Basket-ball : Nihintsana teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana;

•💃 Dihy : Nahazo Medaly Volamena 2; (Fandraisana anjara voalohany ho an'ny Faritra Analamanga)

•🏊 Lomano : Nahazo Medaly Volamena 4 sy Medaly Volafotsy 4.

🎉 An-kafaliana no nandraisana sy niarahaban-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Analamanga,RAHARINIRINA Clémence, ireo ekipa rehetra nandray anjara, nisolo tena sy nitondra avo ny voninahitry ny Faritra Analamanga nandritra ny ASIEF 2026. Nankasitrahana koa ny ezaka sy fahamendrehana nasehon'izy ireo.

Retour aux actualités