Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗜𝗭𝗜𝗔𝗡𝗔 (𝗝𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗡𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲 𝗹’𝗜𝗱𝗲𝗻𝘁𝗶𝘁𝗲́) : 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮-𝗶𝘇𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗮

Nankalazaina tao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina omaly alarobia 16 septambra, ny hetsika fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny Fahiziana. Hetsika izay teo ambany fitarihan'ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka, toy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) sy ireo sampan-draharaha rehetra voakasika. Nialoha izany ny diabe an-tongotra nihodidina ny farihin'Anosy nataon'ny tanora sy ny mpianatra.

🫆 𝑵𝒊𝒇𝒂𝒏𝒕𝒐𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒇𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒇𝒐𝒕𝒐𝒕𝒓𝒂 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂-𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒅𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒐𝒓𝒂𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒆𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂. 𝑻𝒆𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒍𝒂𝒎𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒐𝒆 "𝒎𝒐𝒏 𝒊𝒅𝒆𝒏𝒕𝒊𝒕𝒆́, 𝒎𝒐𝒏 𝒐𝒎𝒃𝒓𝒆", 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒂𝒅𝒊𝒌𝒂 𝒉𝒐𝒆 "𝒂𝒍𝒐𝒌𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒉𝒚 (𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒅𝒊𝒏𝒅𝒐𝒏'𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒂𝒌𝒐) 𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂-𝒊𝒛𝒚 𝒂𝒉𝒚".

✅ Isan'ireo nandray anjara tamin'ity hetsika fanamarihana ity ny Faritra Analamanga tamin'ny alalan'ny Sekretera Jeneraly, RAMANANTSOA Ramarcel Schall, izay nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

Retour aux actualités