Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗗𝗜𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 : 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮

Ho fanamaivanana ny vesatr'ireo ray aman-dreny amin'ny fampidirana mpianatra dia nitohy ny fanomezana fanampiana fitaovam-pianarana ataon'ny Faritra Analamanga, toy ny efa natao tany amin'ireo distrika maro manerana ny Faritra.

🚸 Nisitraka izany tamin'ity herinandro ity ireo mpianatra eny amin'ny EPP Ampandrana Atsinanana sy ireo ray aman-dreny marefo mampiana-janaka sy fianakaviana sahirana mitotaly 600 eo ho eo avy amin'ireo boriborintany ato anatin'ny kaominina Antananarivo renivohitra.

📌 Nisolo tena an-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, nizara izany ireo Tale sy Mpanolotsaina miara-miasa aminy eo anivon'ny Faritra.

Retour aux actualités