Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗕𝗔𝗦𝗞𝗘𝗧-𝗕𝗔𝗟𝗟 : 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗮𝗹𝗶𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗶𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗟𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗻𝘆 𝗸𝗹𝗶𝗼𝗯𝗮 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗙𝗜𝗔𝗟𝗔.

Tonga nanolotra "takela-pitaratra fahatsiarovana" ho an'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, ny Klioba Fandrefiala sokajy zazavavy latsaky ny 16 taona. Ho valim-pitia tamin'ny tantsoroka azon'izy ireo nentiny tany amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara, nizotra tany Ambositra ny 22 ka hatramin'ny 30 aogositra lasa teo.

🏀 Tsiahivina fa lasan'ny Fandrefiala ny anaram-boninahitra maha tompondakan'i Madagasikara taranja basket-ball sokajy zazavavy latsaky ny 16 taona. I HANITRINIALA Nirisoa Ninah, Kapitenin'ity ekipa ity, rahateo no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra na MVP nandritra ny fifaninanana.

Retour aux actualités