Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗣𝗔𝗥𝗔𝗟𝗬𝗠𝗣𝗜𝗤𝗨𝗘𝗦 : 𝗡𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗟𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘁𝗹𝗲𝘁𝗮 𝘀𝗼𝗹𝗼𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻'𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮.

Ho fankasitrahana ny fanampiana nataony dia natolotr'ireo atleta solontenan'Analamanga ho an'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, ireo amboara azony tamin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara ho an'ny olona manana fahasembanana. Amboaran'ny laharana faharoa teo amin'ny tsipy kanetibe olon-droa miaraka vehivavy sy ny taranja basket-ball. Fanampin'ireo dia nahazo medaly volamena efatra sy volafotsy iray ireo atleta avy eto Analamanga.

✨ Faly tamin'ny vokatra azo ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, ka nankasitraka sy nampirisika ary nirary soa ho an'ireo atleta ho lasa lavitra hatrany.

✅ Hiatrika ny fiadiana izay ho tompondakan'ny Ranomasimbe Indianina hatao eto Madagasikara ny 27 oktobra ka hatramin'ny 2 novambra izao indray izy ireo.

Retour aux actualités