Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗧𝗘𝗔𝗠 𝗦𝗖𝗜-𝗙𝗔𝗞𝗔 : 𝗖𝗟𝗨𝗕 𝗔𝗩𝗬 𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗡𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢 𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗥𝗢𝗕𝗢𝗧𝗘𝗫 𝗜𝗡𝗧𝗘𝗥𝗡𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡𝗔𝗟 𝟮𝟬𝟮𝟲

Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana teto anivon’ny Faritra Analamanga ny Team SCI-FAKA, avy ao amin’ny STEAM Club Ivato, sehatra iray mampivelatra ny fahaiza-manao amin’ny tontolon’ny "robotique".

✅ Ny Team SCI-FAKA, izay anisan’ireo ekipa voafantina ao anatin’ny STEM FOR GOOD, dia ahitana tanora miisa 5 mianadahy, izay samy avy eto Analamanga avokoa. Isan'ireo hisolo tena an'i Madagasikara amin’ny Robotex International 2026, fifaninanana iraisampirenena momba ny robotique izay hotanterahina any Kôrea atsimo, ny 27 ka hatramin'ny 29 novambra 2026 izy ireo.

💡Nandritra ny fihaonana dia nampahafantarin’izy ireo an-dRamatoa Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, ny dingana sy ezaka efa natao hahatongavana amin'izao sehatra iraisampirenena izao. Fotoana ihany koa nangatahan'izy ireo tsodrano sy tantsoroka avy amin-dRamatoa Lehiben'ny Faritra Analamanga.

🤝 Nitsodrano sy naneho ny fahavononana hanohana ireto tanora ireto ny Faritra Analamanga amin’ny fiatrehana ny Robotex International 2026 izay hotanterahina any Kôrea atsimo.

Retour aux actualités