Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 : 𝐍𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐥𝐢𝐬𝐞𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐛𝐚𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐞𝐡𝐢𝐫𝐨𝐤𝐚

Nambaran'ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy Fanofanana araka asa, ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, izay nisolo tena ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, nitokana izany fa mendrika hoderaina ny zava-bitan'ny kaominina Antehiroka amin'ny fitsinjovana ny hoavin'ny zanaka Malagasy sy ny fanaovana ho vaindohan-draharaha ny tontolon'ny fanabeazana amin'izao fanavaozana izao. Hatsangana tsy ho ela koa ny Lisea teknika ao Ambohimanarina sy ny Foibe fanofanana araka asa ao Andranomena, samy ao amin'ny distrikan'Antananarivo fahenina, hoy hatrany izy.

✅ Nomarihin-dRamatoa Ben'ny Tanànan'Antehiroka, ANDRIANARIVELO Toky Harilanto, fa tanteraka ankehitriny ny fanirian'Ambohibao Antehiroka hanana lisea noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin'ny Fanjakana malagasy sy ny fiangonana. Maro ireo zava-bita ao anatin'ny kaominina ka isan'ny nisaorany manokana ny Faritra Analamanga tamin'ny fanamboarana ny lalana mihazo ny biraon'ny kaominina. Ezaka hataon'ny kaominina ato ho ato, hoy hatrany ny Ben'ny tanàna, ny fanamboarana ny Lapan'ny tanàna vaovao sy ny fananganana tetezana mihantona na "passerelle piétons" ho an'ny mpandeha an-tongotra hiampita arabe eo Ambohibao.

🏫 Ankoatra ny fananganana ny Lisea vaovao dia nasiam-panitarana ihany koa ny EPP Ambohibao tamin'ny fananganana efitrano fianarana ho an'ny famohazan-tsaina (préscolaire), ny tranon'ny mpiandry tanàna ary ny trano fisakafoan'ny mpianatra; mbola fiaraha-miasa tamin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany ihany koa.

➡️ Olo-manan-kaja maro no tonga nanotrona ny fitokanana androany, nahitana ny Solombavambahoakan'Ambohidratrimo, ny Lehiben'ny distrika, ireo Ben'ny tanàna manodidina an'Antehiroka ary tompon'andraikitra sivily sy miaramila. Nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, kosa ny tomponandraikitry ny tsenam-baro-panjakana, RABARY Hery.

Retour aux actualités