Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗖𝗘𝗚 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗢𝗠𝗘𝗡𝗔 : 𝗡𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗹𝗮𝘁𝗮𝗯𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝘀𝗲𝘇𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮.

𝐍𝐨𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐋𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚, 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐈𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐂𝐥𝐞́𝐦𝐞𝐧𝐜𝐞, 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧𝐲. Nateriny androany talata 29 septambra ireo latabatra sy seza ho an'ireo mpampianatra eny amin'ny CEG Andranomena, araka ny nambarany nandritra ny lanonam-pitokanana an'ireo trano fanampiny tao an-toerana volana vitsivitsy lasa izay. Tsiahivina fa efa nanolotra dabilio maro ho an'ny CEG Andranomena ihany koa ny Faritra Analamanga tamin'izany.

🙏 Nankasitraka ny Lehiben'ny Faritra Analamanga ny Talen'ny CEG Andranomena, RAKOTOBE Mahefa Arnaud, ka niloa-bava hoe "manana Reny mpiahy, mpanohana ary mbola vonona hanohana tokoa ny CEG Andranomena".

✅ "𝙄𝙯𝙖𝙝𝙖𝙮 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙥𝙤𝙖𝙠𝙖𝙩𝙮 𝙛𝙖 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙛𝙖 𝙫𝙞𝙩𝙖 𝙙𝙞𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙚𝙧𝙖𝙝𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙮 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙛𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙫𝙞𝙩𝙖 𝙙𝙞𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙩𝙚𝙣𝙚𝙣𝙞𝙣𝙖", hoy kosa ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence. Nohafatrafarany ireo ankizy mba tsy ho kivy fa hilofo hatrany ary hanaja ireo mpampianatra. Nankahereziny koa ireo mpampianatra satria asa sarotra sy asa masina ny fanabeazana.

Retour aux actualités