Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗣𝗢𝗟𝗜𝗦𝗜𝗠𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗚𝗔𝗦𝗬 - 𝟲𝟱 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 : 𝗡𝗼𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗻𝗴𝗮𝗺𝗯𝗮𝘁𝗼 𝘀𝘆 "𝘁𝗲𝗿𝗿𝗮𝗶𝗻 𝗱'𝗵𝗼𝗻𝗻𝗲𝘂𝗿" 𝗮𝗿𝘆 𝗸𝗶𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗹𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗯𝗮𝘀𝗸𝗲𝘁-𝗯𝗮𝗹𝗹

Tsangambato sy "terrain d'honneur" ary kianja filalaovana basket-ball eny amin'ny tokotany malalaky ny "brigade criminelle" akaikin'ny tranoben'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka no namboarina ho mariky ny faha-65 taona nijoroan'ny Polisim-pirenena Malagasy. Notokanana androany alarobia 30 septambra izany.

🏅Nanokafana ny fotoana ny fotoam-pivavahana izay narahin'ny fizaràna mari-pankasitrahana ho an'ireo polisy niatrika ny ASIEF na ny fifaninanana ho an'ireo mpiasam-panjakana eny anivon'ireo andrimpanjakana sy asam-panjakana nizotra tany Manakara farany teo.

👮 Minisitra sy olom-panjakana ary olom-boafidy maro no tonga nanotrona ny fianakaviamben'ny Polisim-pirenena; isan'izany ny Lehiben'ny Farita Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence sy ny mpiara-miasa aminy.

Retour aux actualités