Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐈𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐊𝐀𝐅𝐎

Notanterahina tetsy amin'ny CENACLE Amparibe Ambohidahy ny fivoriana isan-telovolana ho an'ny vondrom-paritra misahana ny fanjohiana sy fanombanana, fotoana iray nanaovana tombana ezaka ny asa vita teo anivon'ireo mpiantsehatra tsirairay.

▶️ Raha ny eto amin'ny Faritra Analamanga dia manodidina ny 44% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Araka ny fanazavan'ny Mpandrindram-paritra ORN Analamanga, Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Alitiana, na hita ho betsaka aza ny sakafo hita eto amin'ny Faritra dia ambony ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka noho ny tsy fahafehezana ny fisakafoana ara-pahasalamana, eo ihany koa ny tsy fahampian'ny fahefa-mividy sy ny kalitaon'ny sakafo (singa mahavelona).

▶️ Araka ny toromarika sy paikady avy amin'ny Fitondram-panjakana dia hapetraka eny anivon'ny kaominina ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo ary ady marolafy no hatao amin'izany. Ny tetikasa rehetra tanterahina dia hiteraka asa ho an'ny mpisitraka eny anivon'ny fiaraha-monina.

Hisy ny famolavolana ny drafitrasa kaominaly ho an'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo na ny "Plan communal de nutrition" iarahan'ny Faritra sy ny Kaominina tsirairay.

▶️ Manatanteraka izany ny ONN na ny "Office National de Nutrition" izay manana ny ORN na "Office Régional de Nutrition" isam-paritra.

▶️ Nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny fihaonana, nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga, ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Schall; nanambara ny maha zava-dehibe ny fananganana ny "Plan communal pour la nutrition" izay manamafy ny fiaraha-mientan'ny mpiara-miombona antoka rehetra sy ny hananana rafitra mazava handrindrana ny asa mifandraika amin'izany. Nambarany ihany koa fa ny Faritra Analamanga dia manome lanja lehibe ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombona antoka amin'ny fanatanterahana ny tetikasa mikasika ny fanjarian-tsakafo.

Retour aux actualités