Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗙𝗔𝗛𝗔𝗦𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔𝗡𝗔 : 𝗡𝗮𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗸𝗶𝘀𝗶𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗼𝗯𝗲 𝗺𝗶𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗸𝗶𝘁𝗿𝗼𝘁𝗿𝗼 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗹𝗲𝗳𝗮𝗸𝗼𝘇𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗶𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆.

Hetsika telo ho fiarovana an'ireo zaza malagasy no niara-natomboka ôfisialy androany alatsinainy 5 oktobra teny Anosisoa Ambohimanarina : ny fanaovana vakisiny fanefitry ny kitrotro ho an'ireo zaza eo anelanelan'ny 9 ka hatramin'ny 15 volana, ny fanomezana vakisiny hisorohana ny lefakozatra ho an'ny zaza vao teraka ka hatramin'ny 59 volana ary ny fanomezana vitaminina A. Haharitra 5 andro ny hetsika izay ho maimaim-poana avokoa.

💉 "Aretina azo sorohina ny lefakozatra sy ny kitrotro, ka andao hofongorina tanteraka eto Madagasikara", hoy ny Lefitry ny Masoivoho mpisolo toerana, STEVE Bremner. Nanamafy kosa ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, fa "tsy afaka hiandrandra fampandrosoana mihitsy isika raha tsy salama aloha ny Malagasy, ka izao hetsika izao dia isan’ny dingana iray lehibe mankany amin’izany". Nantitranterin'ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, MONIRA Managna, rahateo fa "ny zaza voaaro amin'ny vakisiny anio no fototra hiorenan'i Madagasikara rahampitso".

📩 Samy nanentana ny ray aman-dreny izy rehetra ireo mba hanokatra varavarana ireo mpiasan'ny fahasalamana sy mpanentana ara-pahasalamana na hitondra ny zanany hanatona an'ireo tobim-pahasalamana na toerana nomanin'ny Minisiteran'ny fahasalamana. Nankasitraka sy nisaotra an'ireo miaramilan'ny fahasalamana ireo ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana sady nampanantena fa hojerena manokana ireo mpanentana ara-pahasalamana. Nisaotra sy nankasitraka an'ireo mpanohana, nahitana ny UNICEF sy OMS ary ny governemanta amerikanina, koa ny tenany sady nanambara fa hezahin'ny Fanjakana hampitomboina ny fandraisany anjara amin'ity hetsika nasiônaly ity mba hanatrarana ao anatin'ny fotoana fohy ny hahavitana vakisiny an'ireo zaza malagasy rehetra na aiza na aiza toerana misy azy eto amin'ny Nosy. Nanamafy ihany koa izy fa "isan'ireo asa mivaingana ho an'ny tombontsoan'ny Vahoaka malagasy, izay vaindohandraharahan'ny Fanjakana, ny fahasalamana sy fitsinjovana ny zanaka malagasy."

🎁 Notanterahina androany koa ny fanomezana ny lokan'ireo fokontany mendrika nandritra ny fifaninanana amin'ny fanentanana sy ny fahavitrihana amin'ny fanaovam-bakisiny.

Retour aux actualités