Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗥𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔

Isaky ny 05 oktobra dia ankalazaina manerantany ny andro natokana ho an'ny mpampianatra mpanabe. Tetsy amin’ny ANS Ampefiloha no nanamarihana izany ho an'ireo mampianatra sy mpandraharaha mivondrona ao anatin'ny kaofederasiônina sendikaly SEMPAMA. Fotoana iray nanehoana ny firaisankina sy ny fahavononana hatrany amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana.

✅ Nankasitraka manokana ny fitondrana Fanavaozana ny filoha mpitarika ny kaofederasiônina sendikaly SEMPAMA, RAHAROVOATRA Claude, ny amin'ny fijerena manokana ny mpampianatra izay tsy nisy tamin'ny fitondrana teo aloha.

🙏 Nanome voninahitra izany androm-pankalazana izany ny Masoivohon'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO ao Paris, Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, ary nambarany tamin'ny lahateniny fa na mbola maro aza ny fanamby atrehin’ireo mpampianatra, na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, na eo amin’ny sehatra sy ny fitaovana ilaina hanatanterahana ny asa, dia mendrika omem-boninahitra sy isaorana mandrakariva ny fijoroana sy fandavan-tena ananany.

Notsindriany ihany koa fa na eo aza ny fivoaran'ny tekinôlôjia, na ny faharanitantsaina voatrolombelona (IA) dia tsy mahasolo velively ny mpanabe sy ny maha olona izany, indrindra ny soatoavina ananan'ireo mpampianatra.

✅ Namaly ny fanasana ny Faritra Analamanga izay nosoloan'Andriamatoa Talen'ny kabinetran'ny Faritra Analamanga tena.

Retour aux actualités