Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐋𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐅𝐈𝐃𝐘 : 𝐍𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚

Araka ny fangatahan'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana , RAHARINIRINA Clémence, dia tonga ety amin'ny biraon'ny Faritra ireo mpiasa eo anivon'ny CEP, Kaomisiônina misahana ny fifidianana ho an'ny Faritanin'Antananarivo avy eo anivon'ny CENI, manatanteraka ny fandraisana ny anaran'ireo mpiasa ho ao anatin'ny lisitry ny mpifidy. Ankoatra ny famahana ny olan’ny mpiasa amin’ny fivezivezena dia mifanandrify amin’ny iray amin’ireo fomba dimy ahafahana misoratra anarana anatin’ny lisitry ny mpifidy izany, dia ny fanatonan’ny CENI eny amin’ny toerana be olona.

📣 Nanentana ny mpiasan'ny Faritra Analamanga tsy an-kanavaka ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, RAMANANTSOA Ramarcel Schall, sady nanazava fa ny lisitry ny mpifidy no isan'ny niteraka olana teto amin'ny firenena ka rariny raha havaozina tanteraka. Nanazava kosa ny Sekretera maharitry ny CEP Antananarivo, RAKOTOARIVELO Jean Espérance, fa afaka mitondra ireo fianakaviany hanatona ety amin'ny Faritra Analamanga ireo mpiasa. Ireo rehetra manan-draharaha ety amin'ny birao misy ny Faritra Analamanga koa dia afaka manatona misoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy miaraka amin'ny kara-panondro.

📆 Nanomboka androany talata 6 oktobra ka haharitra roa andro no hijanona eto amin'ny biraon'ny Faritra Analamanga ireo mpiasa eo anivon'ny CEP Antananarivo handray ny anaran'ireo rehetra manatona eto ho ao anatin'ny lisitry ny mpifidy.

Retour aux actualités