Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝗟𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗠𝗢𝗜𝗩𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 : 𝗱𝗶𝗺𝘆 𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 𝗺𝗲𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗼𝗿𝗮𝗱𝗿𝗼𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗱𝗮𝘃𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗯𝗼𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝗼𝘁𝗮𝗺𝗽𝗲𝗻𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮

Nahatratra 122 ny isan'ireo olom-pirenena tonga nisoratra anarana ho ao anatin'ny lisitry ny mpifidy tamin'ireo mpiasa eo anivon'ny CEP, Kaomisiônina misahana ny fifidianana ho an'ny Faritanin'Antananarivo avy eo anivon'ny CENI, tety amin'ny biraon'ny Faritra Analamanga. Isan'izany ny Lehiben'ny Faritra Analamanga, RAHARINIRINA Clémence, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ary ireo tale isan-tsokajiny avy.

🛎️ Tsiahivina fa hifarana amin'ny 24 novambra izao ity dingana voalohany amin'ny fisoratana anarana ho ao anatin'ny lisitry ny mpifidy havaozina manontolo ity, manerana ny Nosy. Averina eny anivon'ny fokontany izany amin'ny 9 janoary 2027 mba hahafahan'ny olom-pirenena tsirairay manamarina ny momba azy.

Retour aux actualités