Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

Fampiofanana arak’asa mba hitondra fampandrosoana

Iray amin’ny vinan’ny Faritra Analamanga ny fanohanana ireo tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana arak’asa mba hitondra fampandrosoana ho an’ireo Distrika rehetra ato anatin’ny Faritra. Miara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Tekinika sy ny Fampiofanana Arak’asa ny Faritra Analamanga ao anatin’izany. 


Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ofisialy ny « Salon de l’orientation, de l’enseignement technique et de la formation professionnelle » teny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

Retour aux actualités