Chargement...

Fanomezana solom-pen'akoho ho an'ny mpiasa

Tsy diso anjara tamin'ny fanomezana solom-pen'akoho, hiatrehana ny fetin'ny faran'ny taona 2025 sy ny taom-baovao 2026, ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny Faritra Analamanga, araka ny nampanantenaina. Nankasitraka azy ireo tamin'ny asa vita nandritra ny taona ary nirary azy ireo hanao fety sambatra ny Lehiben'ny Faritra Analamanga Mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

Fankasitrahana feno sy fisaorana no nasetrin'i Zafindrabe, nisolo tena ireo mpiasa, nandritra ny lanonana fizaràna izany tao amin'ny birao fiasana tetsy Ambohidahy, ny marain'ny 30 desambra 2025.

Retour aux actualités