Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 : 𝐍𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐦𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟏𝟐 𝐡𝐢𝐭𝐚𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐡𝐨 𝐯𝐚𝐡𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐣𝐢𝐦𝐚𝐢𝐤𝐚 .

Ho fanamaivanana ny fahasahiranana mianjady amin'ny mponina eto Antananarivo dia nahazo fiarabe miisa 12 hitaterana rano ny JIRAMA, avy tamin'ny tetikasa PAEP izay vatsin'ny Banky iraisampirenena vola. Tonga teny Mandroseza nanolotra izany tamin'ny fomba ôfisialy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avo, ny Minisitry ny Rano, Dr RAZAFINDRANIAINA Anja Elia, ary ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta vitsivitsy. Nandefa ny mpanolotsaina RANDRIATSARAFARA Ifaharana mba hisolo tena azy kosa ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence.

"Mampalahelo ilay zava-misy fa mba areheto ny fitiavan-tanindrazana ao anatinareo mba hivahan'ny olan'ny JIRAMA", hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tamin'ny kabariny. Nahitsy ny teniny fa ny RAMA (rano) no efa hita ny fiovany fa ny jiro sisa, kanefa vola maherin'ny 1000 lavitrisa (milliards) ariary no efa nomena ny JIRAMA tao anatin'izay herintaona izay.

Retour aux actualités