Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐅𝐀𝐌𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐘 : 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐨 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐨, 𝐦𝐚𝐭𝐢𝐡𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚, 𝐚𝐤𝐚𝐢𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐚𝐳𝐨 𝐢𝐭𝐨𝐤𝐢𝐚𝐧𝐚

"𝑀𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑎ℎ𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑜 𝑒𝑛𝑑𝑟𝑖𝑘𝑦 𝑛𝑦 𝑃𝑜𝑙𝑖𝑠𝑖𝑚-𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎 2036 ?". Io fanontaniana io no fototra niompanan'ny fikaonandohan'ny Polisim-pirenena notanterahina nanerana an'ireo faritra 23 nanomboka ny volana febroary 2026 ka nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy omaly 26 oktobra 2026 teny amin'ny Mining Business Center Mamory Ivato. Nihoatra ny 3.500 ireo mpandray anjara tamin'izany, nahitana hevi-dehibe 8 ary lohahevitra 34.

"𝐹𝑎ℎ𝑎𝑡𝑒𝑟𝑎ℎ𝑎𝑚-𝑏𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜 𝑛𝑜 𝑖𝑎𝑖𝑛𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑃𝑜𝑙𝑖𝑠𝑦 𝑎𝑛𝑘𝑒ℎ𝑖𝑡𝑟𝑖𝑛𝑦", ℎ𝑜𝑦 𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑙𝑎𝑚𝑖𝑛𝑎𝑚-𝑏𝑎ℎ𝑜𝑎𝑘𝑎, 𝑛𝑦 𝐶𝑜𝑛𝑡𝑟𝑜̂𝑙𝑒𝑢𝑟 𝐺𝑒́𝑛𝑒́𝑟𝑎𝑙 𝑑𝑒 𝑃𝑜𝑙𝑖𝑐𝑒 𝐸𝑟𝑖𝑐𝑘 𝑀𝑖𝑐ℎ𝑒𝑙, "𝑎𝑟𝑦 𝑒𝑓𝑎 𝑛𝑎𝑙𝑒𝑣𝑖𝑛𝑎 𝑖𝑙𝑎𝑦 𝑒𝑛𝑑𝑟𝑖𝑘𝑎 𝑙𝑎𝑛𝑦 𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜 𝑛𝑎𝑚𝑝𝑖𝑘𝑎𝑖𝑘𝑎𝑖𝑘𝑎 𝑠𝑦 𝑡𝑠𝑦 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑓𝑎-𝑝𝑜 𝑛𝑦 𝑣𝑎ℎ𝑜𝑎𝑘𝑎 ℎ𝑎𝑡𝑟𝑖𝑧𝑎𝑦".

Noraiketina an-tsoratra ka natambatra ho boky ireo tsoa-kevitra ka natolotra ny Filohan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, izay nametraka hafatra mafonja hoe : "Ny tena fanavaozana dia miantomboka amin'ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary mitaky ny fanajana ireo etika araka asa. Halaviro ny kolikoly izay lasa tandra vadin-koditra miraikitra amin'ny sampan-draharaham-panjakana. Tsy anavahana sokajin'olona ny fandraisana fepetra amin'ireo voakasiky ny resaka kolikoly".

Hatambatra amin'ireo angon-kevitra avy any amin'ny sehatra tsirairay avy ireo sori-dalana voarafitra nandritra ny fikaonandohan'ny Polisy mba hahafahana mamadika izany ho pôlitikam-panjakana. Ny fitondram-panjakana foibe koa andanin'izany dia hanao izay azony atao satria mitaky fitaovana sahaza azy ny fitandroana ny filaminana sy ny fahalemana.

Retour aux actualités