Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐓𝐑𝐀𝐍𝐒𝐏𝐀𝐑𝐄𝐍𝐂𝐘 𝐈𝐍𝐓𝐄𝐑𝐍𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋 - 𝐈𝐍𝐈𝐓𝐈𝐀𝐓𝐈𝐕𝐄 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 : 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚𝐟𝐨𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐞𝐧𝐝𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚

"𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎 𝑙𝑎𝑣𝑖𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑡𝑠𝑖𝑛𝑑𝑟𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑡𝑜𝑡𝑟𝑎". "𝑂𝑝𝑝𝑜𝑟𝑡𝑢𝑛𝑖𝑡𝑒́ 𝑒𝑡 𝑝𝑟𝑜𝑔𝑟𝑒̀𝑠 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑐𝑎𝑟. 𝐵𝑟𝑖𝑠𝑒𝑟 𝑙𝑒 𝐶𝑦𝑐𝑙𝑒 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝑐𝑎𝑝𝑡𝑢𝑟𝑒 𝑑𝑒 𝑙'𝐸𝑡𝑎𝑡".

Ireo no niompanan'ny valandresaka narahina adihevitra mikasika ny raharaham-pirenena eto Madagasikara izay notanterahin'ny Transparency International - Initiative Madagascar teny amin'ny Novotel Ankorondrano androany 27 oktobra 2026. Nivohitra tao anatin'izany ny endrika kolikoly fahita teto Madagasikara amin'ny fotoam-pifidianana, toy ny fizarazarana vola sy fitaovana na sakafo; fampiasana ny mpiasam-panjakana hanao fampielezan-kevitra; fandraisana fepetra ara-panjakana ho amin'ny tombontsoan'ny kandidà mpomba ny fitondrana; ny tsy fisian'ny mangarahara eo amin'ny fampiasam-bola ataon'ny mpifaninana amin'ny fifidianana. Ao anatin'izay fatotra ataon'ny mpitondra izay koa ny endrika fanararaotam-pahefana isan-karazany ataon'ny tomponandraikitra ara-panjakana ka itadiavany tombontsoa manokana sy anomezany tombon-dahiny ho an'ny mpandraharaha voafantina.

Nandroso hevitra ho an'ny governemanta sy ny antenimiera ihany koa ny Transparency International - Initiative Madagascar, toy ny fanamafisana ny fangaraharana sy ny famantarana ny loharanom-pamatsiam-bola amin'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana. Fametrahana rafitra mametra ny fampiasam-bola ataon'ny kandidà. Fampirisihana ny vehivavy havitrika amin'ny fandraisana anjara pôlitika. Fanamafisana ny rafitra mpanara-maso sy afaka mandray fepetra manoloana ny fitanilàna eo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Olo-manankaja maro no tonga nanatrika ity valandresaka ity. Nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga tamin'izany ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, RAMANANTSOA Ramarcel Schall.

Retour aux actualités