Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀 : 𝐓𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐥𝐚𝐤𝐚𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐤𝐚𝐥𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

"𝑽𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒔𝒂𝒉𝒂 𝒎𝒑𝒂𝒎𝒐𝒌𝒂𝒕𝒓𝒂, 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂". Io no lohahevitra nentina nanamarika ny andro iraisampirenena ho an'ny Vehivavy Tantsaha tamin'ity taona ity. Teny amin'ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan'Antananarivo Atsimondrano no nanamarihana izany ho an'ny Faritra Analamanga tamin'ny alalan'ny fampirantiana ireo vokatra maro samihafa sy ny asan'ireo fikambanana sy kaoperativa, ny mpanohana ara-bola sy ara-teknika, ny mpandraharaha sy mpanodina ny vokatra misehatra amin'ny fihariana eny ambanivohitra tamin'ny tranoheva manodidina ny 20.

"𝑴𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂 𝒕𝒐𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒐𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒔𝒂𝒉𝒂 𝒌𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒐𝒏𝒅𝒓𝒂𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒊𝒏-𝒋𝒂𝒗𝒂𝒕𝒓𝒂", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fiompiana, RALAISABOTSY Jary Antonio, nisolo tena ny Minisitry ny Fiompiana. Nisy ny fanolorana zanak'akoholahy ho an'ny mpiompy ahafahan'izy ireo manatsara ny taranak'akoho sy fanomezana fitaovana maoderina fiterena ronono ho an'ny mpiompy omby ho fanatsarana ny famokarana ronono.

Nisolo tena ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo kosa ny Tale misahana ny pôlitika sy ny fanavaozana ara-pambolena ao amin'ny Minisitera, RAZAFIMBIAVISOA Haja Claire, izay nanamafy ny anjara toeran'ny vehivavy tantsaha amin'ny sehatry ny fampandrosoana ka mba ho lasa mpandraharaha mahomby sy mahavelon-tena ny tantsaha malagasy.

Ny Tale misahana ny raharaha ankapobeny, RASOAHOBY Dody Arthur, no nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra izay nanamafy fa vonona hatrany ny Faritra Analamanga hifanome tanana amin'ireo mpiara-miombona antoka amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra. Nambarany koa fa manolotra fitaovana toy ny vy 40 isa sy simenitra 50 lasaka ho an'ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo ny Faritra Analamanga hanampiana amin'ny fanorenana fotodrafitrasa momba ny rano ao an-toerana.

Ankilany dia nanambara ny Ben'ny Tanàna RASOLONIRINA Todisoa Antenaina Mendrikaja fa andro lehibe ho an'ny Kaominina Alakamisy androany satria nomen-danja ny vahoaka eny ambanivohitra. Ny 88%-n'ny mponina ao Alakamisy dia tantsaha avokoa ary tsy lany ao an-toerana ny vokatra amin'ny ankapobeny fa amatsiana ny any an-drenivohitra sy ny kaominina manodidina.

Retour aux actualités