Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐄𝐑𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 : 𝐓𝐚𝐟𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐥𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Andriamatoa ANDRIAMAHATSANGY Lahatra no voatendry ho Talem-paritry ny fanavaozana eto amin'ny Faritra Analamanga. Androany 30 oktobra 2026 no notontosaina tetsy amin'ny efitrano malalaky ny Tetipivoarana Anosy ny lanonana nametrahana azy tamin'ny toerany tamin'ny fomba ôfisialy. Nitarika ny fotoana ny Minisitra misahana ny fanavaozana, Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Hanitra, notronin'ireo olo-manankaja maro. Nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana kosa ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra, RAMANANTSOA RAMARCEL Schall.

Ny asan'ny Talem-paritry ny fanavaozana dia misolo tena ny Minisitra misahana ny Fanavaozana eny anivon'ny Faritra, mandrindra ny asa mifandraika amin'ny fanavaozana, manohana ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka, manohana sy mampita ny sosokevitry ny vahoaka ary mampifandray ny olom-pirenena sy ny Fitondram-panjakana.

Retour aux actualités