Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 : Nitombo isa ireo mpampivelona sy mpitsabo mpanampy (infirmière) ary tekinisianina amin'ny labôratoara

Mpianatra 95 nanovo fahalalana ho mpampivelona sy mpitsabo mpanampy (infirmière) ary tekinisianina amin'ny labôratoara tao amin'ny ESPM, École Supérieure Paramédicale de Madagascar, Itaosy no nivoaka tamim-pomba ôfisialy sy nanao ny fianianany androany zoma 30 oktobra.

"Mijoroa amin'izay ary asehoy ny maha-izy anareo na dia nalaza ho andiany tsy misy ilàna azy sy mpanakorontana aza ianareo", hoy ny Tale jeneralin'ny ESPM, NEMEISE Harinirina. Nohamafisin'ny Tale jeneraly misahana an'ireo ivontoeram-panofanana paramedy eto Madagasikara, ANDRIANKINANA Tsialofana, izay nisolo tena ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, fa isan'ireo sekoly ambony sangany amin'ireo sekoly ambony miisa 139 manerana ny Nosy ny ESPM Itaosy.

Nisafidy ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, ho Reny mpiahy azy ireto andiany SAFIRA ireto. Nohafatrafarany izy 95 mianadahy hoe : "Tsara ny manana fahalalana fa ho famenon’izany rehetra izany dia ilaina ihany koa fananana sofina mihaino amim-paharetana, ny fahaizana miara-miasa amin’ny hafa satria ny fihetsika na toetra feno fiombonam-po avy aminareo dia efa mitondra fankaherezana lehibe ho an’ny marary."

Nozaraina androany ny mari-pahaizan'izy ireo sy ny karatra maha mpikambana eo anivon'ny holafitry ny mpampivelona sy ny holafitry ny mpitsabo mpanampy (infirmière). Notoloran'ny Reny mpiahy fanomezana manokana ireo mpianatra mendrika isaky ny sampam-pianarana misy, dia ny mpampivelona sy mpitsabo mpanampy (infirmière) ary tekinisianina amin'ny labôratoara.

Retour aux actualités