Chargement...

Fiaraha-miasan'ny Faritra Analamanga sy BNGRC

Tonga naneho fahavononam-piaraha-miasa tety amin’ny Birao Nasionaly Misahana ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza ireo solontena avy eo anivon’ny Faritra Analamanga notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly Schall RAMANANTSOA niaraka tamin’ny Talen’ny Kabinetra sy ny Mpanolo-tsaina Manokana.

 Nifantoka tamin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fomba fiasa, ny rafi-pifandraisana sy fampitam-baovao, ary ny fandraisana andraikitry ny roa tonta ny fifanakalozana, na amin’ny toe-draharaha vonjy taitra izany na amin’ny fotoana mahazatra.

Nohamafisin’ny BNGRC, amin’ny maha rafitra mpandrindra eo amin’ny sehatra nasionaly azy, ny fampiharana ny fitsipika fanapariahana andraikitra isan’ambaratonga.

Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana - Pejy ofisialy

BNGRC

#MID

#BNGRC

Retour aux actualités