Région Analamanga
FARITRA ANALAMANGA
Miasa Miasa Miasa ho amin'ny fanavaozana...

Afera trano fiantohana MAMA

Nandray fepetra ny Fanjakana sy ny mpitatitra, manohitra ny fitantanana tsy mahomby sy tsy mangarahara, ny fanaovana antsojay, fandroahana tsy ara-dalàna,… ao amin’ny trano fiantohana MAMA (Mutuelle d’Assurance Malagasy) izay tonga hatrany amin’ny Filoham-panjakana ny fitarainana.

Tonga nanao fampahafantarana teny an-toerana ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Rtoa Clémence Raharinirina, izay solontenam-panjakana, niaraka tamin’ny vadin-tany sy ireo mpitatitra ary mpikambana, nampahafantatra ny fanapahan-kevitra noraisina dia ny fametrahana « commissaire de Redressement ».

Nampahatsiahivina fa ny MAMA dia orinasa « mutuelle » ka ny mpitatitra no tompony sy tokony hanapaka kanefa tsy izay no zava-misy fa lasa fitangosam-bola sy tantely afa-drakotra, tsy nisy tamberin’andraikitra ho an’ireo mpandoa saram-piantohana.

Ny firaketana (PV) tamin’ny 15 desambra 2025 niarahan’ny CSBF, ny BFM, ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika ary ny mpitatitra dia efa nanendry an’i Rado Andriamamonjisoa ho « Commissaire de Redressement » satria efa tapitra ihany koa ny fe-potoana niasan’ny Filankevi-pitantanana saingy tsy mbola tanteraka izany fanapahan-kevitra izany hatramin’izao.

Tia Tanindrazana

Retour aux actualités