Chargement...

Nandray ireo Ben'ny tanàna ny Faritra Analamanga

Efa nanomboka nandray ireo Ben'ny tanàna ato anatin'ny Faritra Analamanga ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, ny herinandron'ny 12 janoary 2026.

Isan'izany ireo Ben'ny tanàna ao anatin'ny Distrikan'i Manjakandriana sy Ambohidratrimo ary Antananarivo Atsimondrano. Nandritra izany fihaonana izany no nampanantenain'ny Lehiben'ny Faritra Analamanga azy ireo fa hapetraka ny fanovàna fomba fiasa.

Vonona ihany koa ny eo anivon’ny Faritra Analamanga hiara-hiasa akaiky amin'ny alalan'ny fanomezana maimaim-poana ireo milina lehibe natokana ho an'ny fanamboaran-dalana ("engins"), izay an'ny Faritra, ho fanasoavana ny vahoaka eny ifotony tsy ankanavaka ka tsy hisy Distrika hohadinoina intsony ary tsy ijerena loko pôlitika izany. Ho fiomanana amin'izany dia nijery ifotony ireo fitaovana nogiazin'ny tompon'andraikitra teo aloha izay efa nafindra toerana sy ireo izay mbola tavela noho ny olana ara-mekanika ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, RAHARINIRINA Clémence, sy ireo mpiara-miasa aminy ny 15 janoary 2026.

Retour aux actualités