Chargement...

𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐀𝐎𝐁𝐀𝐓𝐎 : 𝐍𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐝𝐚𝐛𝐢𝐥𝐢𝐨 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 𝐧𝐲 𝐄𝐏𝐏 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐞𝐭𝐢𝐬𝐨𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐯𝐲 𝐧𝐨𝐡𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐢𝐧𝐚.

"𝑵𝒚 𝒔𝒆𝒌𝒐𝒍𝒚 𝒏𝒐 𝒇𝒐𝒕𝒐𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐𝒂𝒏𝒂".

Nisongadina izany nandritra ny fitokanana ny asa fanavaozana manontolo ny EPP ao amin'ny Fokontany Antanetisoa, Kaominina Ankaraobato, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Niara-niombona antoka tamin'izany ny Fikambanana Talk Walk Rise izay nahazo famatsiam-bola avy amin'ny orinasa Bourse Life and Pensions Limited Guernsey. Ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga, Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Schall no nisolo tena ny Lehiben'ny Faritra mpisolo toerana, izay nanamafy fa sehatra iray imasoan'ny Faritra Analamanga ankehitriny ny fanabeazana. Nanolotra dabilio miisa 20 ho an'ny EPP Antanetisoa rahateo ny Faritra Analamanga.

Ahitana efitra 5 ity sekoly nohavaozina ity izay misy mpianatra 173. Ankizy mpianatra miisa 23 izay hiatrika fanadinana CEPE no nahazo fanampiana manokana tamin'ny fikambanana Mamiratra.

Retour aux actualités